Nampitandrina ireo vahoakany mpanao zavatra hafahafa i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny teniny manao hoe : "Tsy anisany miaraka aminay", Ireto avy izany : Ny voalohany : “Izay nisikidy na izay nampanao sikidy ho azy.” Ny fiaviany dia ny hoe : Mamoaka ny vorona rehefa manao hetsika toy ny dia na varotra, na zavatra hafa. Ka raha manidina miankavanana ilay vorona dia mandeha manao ny diany sy izay tiany izy, ary raha manidina miankavia izany dia kivy ka mijanona tsy manao izany. Tsy azony atao izany na koa maniraka olona hanao izany.Ary tafiditra ao anatin’izany ny finoam-poana momba ny zavatra rehetra, toy ny finoan-dratsy amin'ny zavatra heno sy hita, amin'ireo vorona na biby na ireny mampino fahatany na ireny mampiasa isa na andro na ankoatr'izany. Ny faharoa : “Izay maminany, na manontany faminaniana ho azy.” Ary izay milaza fa mahalala ny tsy hita maso amin’ny alàlan’ny fampiasana ny kintana sy ny zavatra hafa, na manatona ireo milaza fa mahalala ny tsy hita maso, toy ny mpisikidy sy ny toy izany, ka mino izay lazainy tamin’ny filazany fa mahalala ny miafina dia efa nikomy izay nampidinina tamin’i Mouhammad (S.A.W). Ny fahatelo: “Manao ody na mampiasa ody ho azy” : Izay manao ody ny tenany, na maniraka olona hanao ody ho azy; mba hahazoany tombony na hanimba ny fiainanolona amin'izany, na mamatotra fatotra amin'ny kofehy ary manao ody amin'ny alàlan'ny famakina ireo fiarovan-tena voarara sy ny fitsofana azy.