Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay mamaky andininy masina roa farany amin'ny Sourat Al-bakarat amin'ny alina, dia Tompo Allah hiaro azy amin'ny ratsy rehetra, ary nilaza koa fa hoe : Ampy ho azy amin'ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza hoe : Ampy ho azy amin'ireny tonombavaka ireny, ary misy nilaza hoe : Ampy vakina mandritra ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza ankoatr'izany, fa ny rehetra voalaza dia marina mameno ny hevitra rehetra.