Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.D), fa Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?", Namaly Izahay hoe : Eny, Dia Niteny Izy nanao hoe : " Ny andininy telo izay vakin'iray Aminareo ao anatin'ny fivavahana Soalat dia tsara lavitra mihoatra ny Rameva lehibe sy matavy ".
Sahih/Authentic. - Muslim

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny valisoa azo avy amin'ny famakina ny andininy Telo ao anatin'ny fivavahana Soalat; dia tsara lavitra mihoatra ny fahazoan'Olona Rameva lehibe matavy no sady mitondra vohoka ao an-tranony,

  1. Fanazavana ny fahasoavana manoloana ny famakiana ny Boky masina KOROANY mandritra ny vavaka Soalat.
  2. Ny Asa soa dia tsara sy maharitra kokoa noho ny fananana harena lehibe eto an-tany izay mbola ho rava.
  3. Izany fahasoavana izany dia noferana ho amin'ny famakiana andininy Telo ihany; fa rehefa mitombo ny famakian'ny Mpivavaka iray ao anatin'ny fivavahana izay ataony dia mitombo ihany koa ny valisoany amin'ny isan'ny Rameva.

Successfully sent!