Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa rehetra manan-kery dia miainga amin'ny finiavana, ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny endrika ankapobeny amin'ny asa fanompoana rehetra sy ny fifampiraharahana misy eo amin'ny fiainana, ka na iza na iza ny mikasa ny hanao asa hahazoany tombony dia tsy hahazo izany tombontsoa izany izy afa-tsy amin'izay nirihiny, fa tsy hahazo valisoa, ary izay mikasa hanatona an’i Allah ilay avo Tsitoha amin’ny asany dia hahazo hatsarana sy valisoa avy amin’ny asany Izy, na dia asa tsotra mahazatra azy, toy ny fihinanana sy ny fisotroana. Avy eo, i Mpaminany (S.W.A) nanome Ohatra hanehoana ny fiantraikan’ny finiavana amin’ny asa, na dia asa mitovy atao amin'ny endrika ivelany aza, ka nanazava Izy fa na iza na iza nikasa ny hifindra monina ka nandao ny tanindrazany hitady izay hahafaly ny Tompony, ny fifindra-monina izay ataony dia ara-dalàna sy azo ekena ary hahazo valisoa amin’izany izy noho ny fahadiovam-po nisy teo aminy, ary na iza na iza nikasa ny fifindrany mba hahazo tombony amin’izao tontolo izao, toy ny vola na voninahitra, na varotra, na vady, dia tsy hahazo valisoa afa-tsy izay nokasainy ihany, ary tsy hanana anjara amin’ny valisoa na tombontsoa hafa intsony Izy.