Mamporisika antsika hamaly ny mpiantso rehefa mandre azy ny Mpaminany (SAW), amin'ny famerenana izay lazainy, fehezanteny isaky ny fehezanteny. Rehefa miteny “Allaho Akbar” izy, dia isika koa mamaly hoe “Allaho Akbar” ao aoriany, ary rehefa manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa izy, dia manonina izany koa isika ao aoriany. Tsongaina manokana ny teny hoe : (Hayya Àla-soalat, Hayya Àlal-Falàh - Izay midika hoe : Mitongava manatrika ny vavaka, mitongava amin’ny fahombiazana), eo kosa dia tenenina ao aoriany hoe : (Là Haola wala-qowwata illà billàhy - Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah.