Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izao tontolo izao sy izay rehetra ao anatiny dia zavatra ankafizin'ny olona mandritra ny fotoana fohy iainany avy eo dia miala, fa ny tena mahafinaritra indrindra dia ny fahazoanao vady hendry, izay rehefa jerenao izy dia mahafaly anao, ary raha nodidinao dia mankatò, ary raha tsy eo ianao, dia miaro anao sy ny fanànanao izy.