Nanontaniana momba ny fahotana lehibe indrindra ny Mpaminany (S.A.W) dia namaly hoe : Ny lehibe indrindra amin’izy ireo dia ny fanompoan-tsampy, dia ny fanaovana an’I Allah ho mitovy tantana amin'ny hafa eo amin’ny maha-Zanahary Azy, na ny maha-tompo Azy, na amin'ny Anarany sy ny Toetoetrany. Tsy avelan’Allah izany fahotana izany raha tsy amin’ny alàlan’ny fibebahana, ary raha maty amin'izany ny mpanao azy dia hitoetra mandrakizay anaty Afobe. Avy eo ny olona mamono ny zanany noho ny tahotra sao hiara-mihinana aminy, ary voarara ny mamono olona, ary voamaika ngeza ny fahotana raha havan'ilay mpamono ilay maty, ary mihalehibe kokoa tahak'izany ny fahotany raha noho ny fatahoran'ilay mpamono fa handray anjara amin’ny fahasoavana nomen’I Allah azy ilay novonoiny. Avy eo dia ny fijangajangana nataon'ny lehilahy iray amin’ny vadin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin’ny alàlan'ny fiezahana hamitaka ny vadin’ny mpifanolo-bodiridrina aminy mba hanaparany ny filan-dratsiny, ka hanaiky azy. Voarara ny fijangajangana, saingy lehibe kokoa ny fahotany raha vadin'ny mpifanolo-bodirindrina, izay nodidin'ny lalàna silamika ny fanaovan-tsoa sy fanehoana hatsaram-panahy ary ny fiarahana tsara aminy.