Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : I Mpaminany (S.W.A) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari as Mu‘allaq/hanging, with a decisive form
Mampahafantatra i Aicha (R.A) renin'ny mpino rehetra fa i Mpaminany (S.W.A) dia tena mifikitra amin'ny fahatsiarovana sy fiderana an'i Allah, ka izy dia midera an'i Allah amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra.
fawaed
Tsy anisany fepetra takina ny fahadiovana amin'ny loto kely sy lehibe rehefa hanao Zikr ny Olona iray.
Tsy mitsahatra amin'ny fiderana mihitsy i Mpaminany (S.W.A).
Famporisina amin'ny tokony fanaovana im-betsaka ny Zikroullahi amin'ny fotoana rehetra mba ho fanarahana ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.W.A) afa-tsy amin'ireo toerana tsy azo anaovana izany toy ny amin'ny toeram-pivoahana.