Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy hiditra ny Paradisa raha tsy ireo mpino ihany, ary tsy ho feno ny finoana ary tsy mihatsara ny fiarahamonina silamo raha tsy mifankatia samy izy ireo. Dia notarihin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny zavatra tsara indrindra izay hampanjaka ny fitiavana, dia ny fampielezana fifampiarahabana (salamo) eo amin'ny samy mpino silamo, izay nataon'Allah ho fiarahabana amin'ireo mpanompony.