Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpiantso “Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho”, izany hoe : Manamafy aho sy manaiky ary mampahafantatra fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary ny tompo rehetra ankoatra Azy dia sandoka. “wa anna mohammadan abdohò warasòlohò”, izany hoe: mpanompo tsy azo ivavahana izy ary iraka tsy mandainga. “Radwìto billàhi Rabban - Faly aho amin'ny maha Tompoko an'Allah”, izany hoe : Ny maha Zanahary Azy, ny maha Tompo tompoina Azy, ny amin'ireo Anarany, sy ireo ny Toetoetrany. "Wa bimohammadin Rasòla - Ary i Mohammad dia Iraka", midika hoe: amin'ny rehetra nanirahana azy sy nampitaina taminay. "wa Bil-Islàmi Dìnan -Ary ny Islamo no finoako", midika hoe : amin'ny lalàna rehetra ao min'ny finoana Islam, amin'ireo didy rehetra fanaovana sy fanakanana. "Dìnan - Finoana" midika hoe : finoana sy filavoan-defona, “Ho voavela ny helony”, midika hoe : ireo heloka madinika.