Milaza etoana ny Mpaminany (S.A.W), fa izay mijery ny mahasoa ny vehivavy maty vady, izay tsy manana olona mpikarakara azy, sy ny mahantra izay tena sahirana, ka mamoaka vola ho fanampiana azy ireo, nataony izany rehetra izany mba hahazoany valisoa avy amin'Allah, ny valisoa azony dia tahaka ny azon'ny olona miady amin'ny làlan'Allah, na mivavaka amin'ny alina tsy reraka mihitsy, na koa mifehy tsy manapaka ny fifehezany.