Nananatra ireo mpanaradiany ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny toriteny mafonja izay nampatahotra ny fo sy nahalatsa-dranomaso ny maso. Hoy izy ireo : “Ry irak’Allah ô, toy ny toriteny fanaovam-beloma izany, satria hitan’izy ireo ny fanamafisana nataony tamin’ny toriteny, ka nangataka izy ireo torohevitra hifikirana ao aoriany, Hoy izy : Manoro hevitra anareo aho mba hatahotra an’ I Allah Ilay Tsitoha, amin’ny fanaovana ny adidy tsy maintsy atao sy ny fialana amin’ny zavatra voarara. Ary ny fihainoana sy ny fankatoavana, izany hoe : amin'ireo mpitondra, na dia andevo aza no mpitondra eo aminareo na manjaka aminareo, izany hoe, ny ambany indrindra amin'ny zavaboary no lasa mpitondra anareo, dia aza miala amin'izany ary mankatoava azy, noho ny tahotra amin'ny fisian'ny korontana (fitna), fa izay hiaina eo aminareo any aoriana dia hahita fifandirana lehibe. Avy eo dia nohazavainy tamin’izy ireo ny làlana hivoahana amin’izany tsy fitovian-kevitra izany, dia amin’ny alàlan’ny fifikirana ny fomba amam-panaony sy ny fomba amam-panaon’ireo mpandimby Azy izay mahitsy sy marina ao aoriany, Abi Bakr Al-Siddiq, Omar bin Al-Khattàb, Othman bin Àffàn, ary Ali bin Abi Tàlib, ho faly amin'izy rehetra anie Allah, ary ny fanaikerana azy amin'ny vangy dia midika ho faran-tampony amin'ny fifikirana ny fomba ama-panaony (sonnat ). Ary nampitandrina azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny zava-baovao sy ny forona amin’ny fivavahana, satria ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.