Manazava ny Fitsipika amin'ny fomba Ankapobeny momba ny Zavatra rehetra i Mpaminany (S.W.A), ary mizara telo ny ao amin'ny Làlana dia : Zavatra Azo atao mazava tsara, Zavatra Voarara mazava tsara, ary ireo Mampametra-panontaniana izay tsy mazava ny lalàna mamehy azy hoe azo atao sa voarara, Ka maro amin'ny olona ny tsy mahalala ny momba izany. Ka izay miala amin’ireo Zavatra ahiahiana momba Azy, dia ho Voaro ny Finoany ka tsy tafalatsaka any amin’ny Zava-boarara, ary ny voninahiny dia ho Voaro amin’ny tenin’ny Olona momba ny fanakianana azy noho ny nanaovany izany zavatra mampiahiahy izany. Ary izay tsy miala amin'ny zavatra mampisalasala dia mandatsaka ny tenany any amin'ny zava-boarara, na amin'ny fanimbana ny voninahiny amin'ny fitenenan'ny olona Azy. Nanome Ohatra ny Irak'Allah mba hanehoana ny toe-javatra iainan'ny Olona miahiahy. Toy ny Mpiandry ondry miandry ny ondriny eo akaikin'ny tany narovan'ny tompony izy, ka saika hihinana amin'ilay toerana voaharo ny ondrin'ny Mpiandry ondry noho ny nanakaikaizany izany. Toy izany koa, izay manao Zavatra mampiahiahy, dia manakaiky ny zava-boarara ka mety ho tafalatsaka ao. Avy eo ny Mpaminany (S.W.A) dia niteny fa misy nofon-kena ao amin'ny vatana (dia ny Fo) ary ny vatana dia ho tsara noho ny fahatsarany ary simba noho ny fahasimbany.