Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny tena mpino silamo manampinoana dia ny olona izay miaro ny lelany amin'ny mpino silamo namany, tsy manompa azy ireo, tsy manozona azy ireo, tsy mifosa azy ireo, ary tsy miezaka ny hanimba azy ireo amin'ny fomba rehetra manimba amin'ny alalan'ny lelany. Ary miaro azy ireo amin'ny tànany, ka tsy miady aminy, na maka ny volany amin'ny fomba tsy ara-dalàna, na izay mitovy amin'izany. Ny mpifindra monina dia ny olona mandao izay noraran'Allah Tsitoha.