Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra atahorany indrindra amin'ny vahoakany dia ny fanompoan-tsampy kely, izany dia ny: fisehosehoana; manao asa noho ny olona (mba ho hitan'ny olona). Avy eo izy dia nilaza momba ny famaizana ho an'ireo mpisehoseho amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, fa ho lazaina amin’izy ireo hoe : Mandehana any amin’ireo nisehosehoanareo, ary jereo raha manana fahefana hamaly soa anareo sy hanome valisoa ho anareo amin’izany asa izany izy ireo?