Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) : Marina tokoa fa ny fahadiovana ivelany dia atao amin'ny alàlan'ny Ouzou sy ny fandroana ary izany tokoa no fepetra takina amin'ny Soalat. Ary ny fitenenana " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana ny vato fan-dajana izay midika ho fiderana an'i Tompo Allah sy Fahamasinana ho Azy, ary fandokafana Azy amin'ireo laza feno izay mameno ny mizanan'ny asa soa amin'ny Andron'ny farany, Andro ny fitsanganana amin'ny maty. Ary tena marina fa ny fitenenana ilay teny hoe : " Soubhànalloahy woalhamdou Lillahy " dia fampisitahana tanteraka an'i Tompo Allah amin'ny tsy fahafenoana sy ny fiderana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka izay mifandraika amin'ny voninahiny sy ny fitiavana Azy ary fampiakaram-boninahiny dia mameno tanteraka ny eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany. Ary tena marina fa ny " Vavaka Soalat dia hazavana " ho an'ny mpanompo ao am-pony, sy amin'ny tavany, ary ao amin'ny fasany sy amin'ny fotoana famoahana Azy avy ao am-pasana. Ary tena marina fa ny " fanomezana dia porofo " porofo ho an'ny fahamarinam-pinoany, sy fitsipahany an'ireo mpihatsaravelatsihy izay manakana izany nohon'ny tsy finoany ny fampanatenan'i Tompo Allah momba izany. Ary tena marina fa ny " faharetana dia hazavana " izany dia fanakanana ny tena amin'ny tebiteby sy ny tsy fifalina - hazavana mitondra ny hafanana sy ny fandorona tahaky ny fahazavan'ny masoandro, Satria izany dia sarotra ka mitaky ny fahazotoana sy fanoherana ny sitrapo, Ka tsy mitsahatra voazava sy voatari-dàlana hatrany ilay Olona, ary izany dia faharetana amin'ny fankatoavana an'i Tompo Allah, sy amin'ny fitsapana ary ireo karazan'ny zavatra tsy tiana rehetra eto an-tany. Ary tena marina fa ny " Koroany dia mpiaro Anao " amin'ny alàlan'ny famakiana Azy sy ny fampiharanao izay rehetra voalaza ao, na koa " mety lasa hitsipaka Anao " amin'ny fomba famelanao Azy sy tsy fampiharana izay rehetra voalaza ao ary ny tsy famakiana Azy. Avy eo dia nilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny Olona rehetra dia miezaka sy miparitaka ary mifoha amin'ny toromason'izy ireo ka mivoaka ny tranon'izy ireo handeha hanatanteraka ny asa maro samihafa. Misy amin'izy ireo no mijoro tsara eo amin'ny fankatoavana an'i Tompo Allah, ka manala ny Tenany amin'ny Afobe, ary misy koa ireo izay nivily làlana sy tafalatsaka amin'ny fahotana ka rendrika amin'ny fidirana ao amin'ny Afobe.